Fisarihana laharan’ny Kandidà ho Filohan’ny Repoblika 2023

Ho fanajàna ny didy aman-dalàna manan-kery, ny fangaraharahana amin’ny fitantanana ny zotram-pifidianana ary ny tsy fitanilàna, niroso tamin’ny fisarihana ny laharan’ny kandidà handrafetana ny biletà tokana, ny takelaka fametahana afisy sy ny fandraisam-pitenenana amin’ny haino amanjerim-pirenena ny CENI androany Alatsinainy , 11 Septambra 2023. Toy izao ny valin’izany fisarihana izany :