Fidinana ifotony tao Anjozorobe

Nafana ny adihevitra niaraka tamin’ireo hery velona misehatra amin’ny fifidianana tao Anjozorobe ny Alakamisy 27 jolay, momba ny fanomanana sy ny fikarakarana fifidianana. Nandray anjara tamin’izany ny Fiarahamonim-pirenena, ny antoko politika, ireo mpanao gazety any an-toerana, ny mpitondra fivavahana sy ny lehibena sekoly ary ireo sefo fokontany. Toy ny tany amin’ireo distrika rehetra efa nolalovan’ny CENI dia isan’ny mafana fo amin’ny fanehoan-kevitra ireo antoko politika : manamafy ny tokony hangaraharan’ny zotram-pifidianana, manatintrantitra fa tokony haleotena marian ny CENI, manindry mafy ny fanatsarana ny lisi-pifidianana. Miombon-kevitra tanteraka amin’izy ireo moa ny CENI, araka ny nambaran’ny filohany RAKOTOMANANA Hery. Ny tenany izay nanazava fa zava-dehibe 3 no laharam-pahamehan’ny CENI ary asa irotsahana amin’izao fotoana izao : ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo rantsamangaikan’ny vaomierampirenena misahana ny fifidianana manerana ny nosy, ny fanabeazana sy ny fanentanana ny mpifidy, ary ny fanatsarana ny lisi-pifidianana. Notaterin’ny Filohan’ny CENI tamin’ireo mpandray anjara tamin’ny loa-bary an-dasy tao Anjozorobe ihany koa ny tolo-dalàna hanatsarana ny didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana, izay efa eny anivon’ny Governemanta amin’izao fotoana izao. Hafatra fototra sy hamafisina kosa amin’ny fidinana fotony tahaka izao ny fanabeazana ny mpifidy : hisoratra anarana ao amin’ny lisi-pifidianana sy hanamarina ny mombamomba azy amin’izany, ho tonga handatsa-bato amin’ny andron’ny fifidianana, ary hanana safidy omban’andraikitra (vote responsable). Ankoatra izay sehatra ifampidinihana izay, nijery ny fampandehanan-draharanan’ireo rantsamangaikany tao Anjozorobe ihany koa ny CENI.