Fanabeazana ara-pifidianana : Hiara-miasa amin’ny CENI ny Tily eto Madagasikara

Tonga nitsidika ny fihaonambe nasionalin’ireo Filoha Tily, izay nataon’ny Fikambanana Tily Eto Madagasikara (TEM) tao Mahajanga ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI ny Asabotsy 12 aogositra 2017, tamin’ny alalan’ny Tonia mpanatanteraka RASOLONJATOVO Jean Victor Nirina. Fotoana nahafahan’ity farany nanazava sy namelabelatra ny antony maha zava-dehibe ny fandraisan’ny olompirenena anjara feno amin’ny aharaham-pifidianana. Ary indrindra mba hanentanan’ireto Tily, vory maro tany an-toerana, ny olompirenena rehetra hahay hisitraka ny zo sy hanefa ny adidiny momba ny raharaham-pifidianan­a. Isan’ireo noresahina tamin’izany ny fisoratana anarana ao anaty lisi-pifidianana mandritra ny vanim-potoanan’ny fanavaozana isan-taona ny lisitra na ny atao hoe RALE (1desambra hatramin’ny 31janoarin’ny taona manaraka itsahina). Hisy ny fiaraha-miasa maharitra eo amin’ny roa tonta amin’ny maha raharaham-pirenena iaraha-manana izany raharaham-pifidianan­a izany.