Proposition de calendrier des élections présidentielles 2023.

Nanatanteraka valandresaka tamin’ny mpanao gazety ny CENI androany 10 febroary 2023 ka nampahafantatra ireo

daty novolavolain’ny CENI hanatanterahana ny fifidianana Filoham-pirenena. Araka izany, ny fiodinana voalohany dia

kasaina hatao ny Alakamisy 9 novambra 2023. Ny fiodinana faharoa kosa dia kasaina hotanterahina ny Alarobia 20

desambra 2023. Marihina fa nalefa eny anivon’ny Governemanta ireo volavolana daty ireo miaraka amin’ny tetiandro

mifandraika amin’izany . Nalefa eny anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana mba hakana hevitra.

Mbola azon’ny olompirenena atao ny manatona ny fokontany ahafahany misoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy hatramin’ny 31 mey 2023.

Raha ny antontan’isa ofisialy 9 906 702 hatreto ireo olompirenena nisoratra anatin’izany lisitra izany