DELIBERATION N°056/CENI/D/2024: LISTE OFFICIELLE DES CANDIDATURES POUR LES ELECTIONS LEGISLATIVES 2024

Fihaonamben’ny REOI

Ny 30, 31 Aogositra hatramin’ny 01 Septambra 2023 eny amin’ny Radisson Blu Ambodivona : Fihaonamben’ireo firenena mivondrona ao amin’ny Tambanjotram-pifidianana eto amin’ny ranomasimbe Indianina (Réseau Electoral des Compétences de l’Océan Indien – REOI). Fihaonana izay ahitana ireo firenena eto amin’ny ranomasimbe Indianina, misahana ny fikarakarana fifidianana. Isan’ny mandray anjara amin’izany ny CENI Madagasikara : Andriamatoa Filohan’ny CENI DAMA Arsène, Andriamatoa Filoha Lefitra faharoa Houssene Abdalah, Andriamatoa Mpamapaka-teny faharoa IFANOMEZANTSOA Tiana ary ireo ao amin’ny Sekretera Mpanatanteraka. Ahitana ihany koa ireo antoko politika, ny mpanao gazety ary ireo CENI mpikambana ao amin’ny REOI. Fifampizarana traikefa sy fanamafisana fahaiza-manao mifanaraka amin’ny fenitra takian’ny iraisam-pirenena sy eo amin’ny firenena ao anatin’ny REOI amin’ny zotram-pifidianana no anton’izao fihaonana izao. Tanjona amin’izany ny hisian’ny fitoniana sy ny filaminana mandritra ny fifidianana.