Signature de « Toky nomena », charte de bonne conduite des candidats aux élections législatives

Antananarivo 30 aprily 2019. Notanterahina androany ny fanaovan-tsonia ny « Toky nomena », dina novolavolain’ny komity ivondrona rafitra 12 misehatra amin’ny fifidianana (*hotanisaina etsy ambany). Dina ifampifehezan’ireo kandida ho Solombavambahoaka, ahitana ireo fitsipi-pitondran-tena irian’ny olompirenena mba hananan’ireo kandida mandritra ny fampielezankevitra sy mandritra ny fifidianana ary aorian’ny fifidianana.

Mba samy hahatsapa ary ho resy lahatra ny kandida sy ny olompirenena fa ilaina ny filaminana ao anatin’ny zotram-pifidianana (mandritra ny fampielezan-kevitra, mandritra ny fifidianana, amin’ny famoahana ny voka-pifidianana ary rehefa amin’ny fotoana hanatanterahan’izay Solombavambahoaka voafidy ny asany eny amin’ny Antenimieram-pirenena). Takiana ao anatin’ity « Toky nomena » ity ny fiainana ny Soatoavina malagasy sy ny fanajàna ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny firenena.

Ireo kandida ho Solombavambahoaka teto amin’ny faritra Analamanga no nasaina hanao sonia androany. 63 amin’ireo kandida 103 nasaina no nanao sonia. Ho an’ireo any amin’ny faritra hafa manerana ny nosy kosa dia eny amin’ny biraon’ny CED (Commission Électorale de District) no asaina ireo kandida hanao izany sonia izany.

Samy harahina maso na ireo kandida nanao sonia na ireo tsy nanao. Hisy ny tatitra isan-kerinandro hataon’ny komity namolavola ny « Toky nomena » mikasika ny fanajan’ireo kandida izay voalaza ao amin’ny dina. Ho an’ny olompirenena kosa dia ampahatsiahivina hatrany ireo laharana maitso ahazoana miantso maimaimpoana raha toa ka mahita tranga na fihetsika mifanohitra amin’izay voalaza ao amin’ny toky nomena izy ireo : 032 32 032 32, 034 30 810 20 ary 033 65 023 33.

(*CENI, BIANCO, CNIDH, CSI, SAMIFIN, HCDED, CFM, ROHY, FANDIO, Transparecy International, ONG Tolotsoa, Justice et paix)