Réunion de travail entre la CENI et les Chef Fokontany.

Nihaona mivantana tamin’ireo rantsamangaikan’ny CENI eny ifotony ny filohan’ny CENI androany alakamisy 11 janoary 2018 teny amin’ny ENAM Androhibe. Ireo sefom-pokontany 192 eto Boriborin-tany enina (6) Antananarivo Renivohitra no tena niantefan’izany. Ireto avy ireo lahadinika : fampahatsiahivana sy ny fanomezana toromarika momba ity fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana farany ity; ao anatin’izany ny fanentanana ny olom-pirenena hijery ny anarany raha ao anaty lisi-pifidianana taorian’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana 2016-2017 ary koa fanentanana ireo mpifidy vaovao amin’ny tokony hisoratany anarana ao anaty lisi-pifidianana ; ny firotsahan’ireo antoko politika sy ireo Fiarahamonimpirenena ao amin’ny Vaomiera ifotony mpanisa ny mpifidy na ny CLRE ; ary ny fizotran’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana na ny RALE 2017-2018 amin’ny ankapobeny.