FIJERENA NY VALI-PIFIDIANANA SOLOMBAVAM-BAHOAKA 29 MAY 2024 VONJIMAIKA
DELIBERATION N°056/CENI/D/2024: LISTE OFFICIELLE DES CANDIDATURES POUR LES ELECTIONS LEGISLATIVES 2024
LISTE ET EMPLACEMENT DES BUREUAX DE VOTE POUR LES ELECTIONS LEGISLATIVES DU 29 MAI 2024
FIJERENA NY ANARANA AO ANATIN'NY LISI-PIFIDIANANA SOLOMBAVAM-BAHOAKA 29 MAY 2024

Pretoria : atrikasa momba ny fitantanana fifidianana demokratika

Anisan’ireo firenena 25 mandray anjara amin’ny atrikasa mikasika ny fitantanana fifidianana ara-demokratika any Pretoria, Afrika Atsimo i Madagasikara, ny 28 Aogositra hatramin’ny 1 septambra 2017. Ireo vaomiera mikarakara fifidianana sy ireo fiarahamonim-pirenena avy eto Afrika no mandray anjara amin’ity atrikasa ity.

Atrikasa izay karakarain’ny UNISA (University of South Africa), ary natao indrindra mba hifampizaran’ireo firenena mpandray anjara ny traikefa tsara sy hifanoroana hevitra ihany koa amin’izay mety ho fomba hanatsarana ny fitantanana ny fifidianana.

Lohahevitra lehibe dinihina mandritra ny fivoriana ny demokrasia sy ny fanabeazana ny olom-pirenena ara-demokrasia, ny andraikitr’ireo mpisehatra tsirairay amin’ny fifidianana, ny fanomezana lanja ireo olom-bitsy na koa manana fahasembanana amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana, ary ny hasarobidin’ny serasera amin’ny raharaham-pifidianana.