Manohy ny asa Fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana nasionaly ny CENI

Ho fanatrarana ny vina napetrany : « Fifidianana tsara omana, andraisan’ny mpiantsehatra rehetra anjara, antoky ny fitoniana sy ny filaminana », dia nanatanteraka atrikasa isaky ny renivohi-paritany ho fampahafantarana ny drafitrasa mandritra ny fe-potoampiasany sy ny fomba hanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ny CENI. Teto amin’ny Faritanin’Antsiranana no nisantarana izany atrikasa izany androany alarobia 27 jolay 2022 tao amin’ny HOTEL DE LA POSTE. Nandray anjara tamin’izany atrikasa izany ireo avy amin’ny fiarahamonim-pirenena sy mpanao gazety eto an-toerana.

Isan’ny vaindohan-draharahan’ny CENI ny hampahafantatra amin’ny olompirenena ny drafitrasan’ny CENI sy ireo paikady rehetra hitondrana ny zotram-pifidianana. Tafiditra amin’izany ny paikadin-tserasera sy paikadim-pirenena hanentanana sy hanabeazana ny olom-pirenena, izay anton’izao atrikasa izao ary nifantohan’ireo mpandray anjara rehetra, nakana ny heviny sy ny nanaovana tombana hanatsarana izany paikady izany, mba hiantohana ny mangarahara. Notsongain’ny CENI manokana ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpanao gazety noho izy ireo miara-miasa akaiky amin’ny CENI amin’ny fampahalalana vaovao sy ny fanentanana sy fanabeazana ny olompirenena.

Hisy kosa ny latabatra boribory hiarahana amin’ireo antoko politika, ireo olom-boafidy sy olom-boatendry ary ireo olobe eto an-toerana ny marainan’ny alakamisy 28 jolay 2022 ao amin’ny efitrano malalaky ny Kaominina Andrenivohitra Antsiranana. Ny tapakandro hariva kosa dia hisy varavarana misokatra ho an’ny daholobe hampahafantarana ny manodidina ny zotram-pifidianana,  ary indrindra ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana nasionaly.

Izany no karakaraina dia mba hahafantaran’ny olompirenena rehetra ny tontolo manodidina ny fifidianana sy ny zony ary ny adidiny amin’ny maha-olompirenena.