Fanambarana momba ny raharaham-pirenena nataon’ny CENI (08 mey 2018)

Nanao fanambarana tamin’ny haino vaky jery ny CENI ny maraina teo teny amin’ny biraony teny Nanisana.
Nisongadina tamin’izany ny tokony handraisan’ny rehetra fanapahan-kevitra haingana sy fepetra mazava mikasika ireto zava-dehibe manaraka ireto:
1) Ny lalàm-pifidianana
2) Ny fepetra hametrahana fitoniana
3) Ny tetiandro sy datim-pifidianana

Momba ny datim-pifidianana dia tranga telo no azo eritreretina ka nanaovan’ny CENI tolokevitra :
– Tranga voalohany: Fifidianana Filoham-pirenena mialoha ny fotoana (alarobia 29 aogositra ny fihodinana voalohany)
– Tranga faharoa: Fifidianana Filoham-pirenena tanterahina araka ny voalazan’ny andininy faha 47 amin’ny lalàm-panorenana (alarobia 28 novambra ny fihodinana voalohany)
– Tranga fahatelo: Fanemorana ny fifidianana noho ny antony voalazan’ny Lalàm-panorenana hatrany (29 mai 2019 ny fihodinana voalohany)

Hahafahana mandrindra araka ny tokony ho izy ny fifidianana sy manatanteraka izany ao anatin’ireo tranga roa voalohany (izany hoe amin’ity taona 2018 ity) dia takiana hazava amin’ity volana mey 2018 ity ny lalàm-pifidianana sy ny fandaminana ara-politika.

(Déclaration version intégrale disponible et téléchargeable en fichier)