• - TATITRY Ny atrikasa savaranonando mialohan’ny fikaondahampirenena hanavaozana ny fitantanana ny fifidianana ny 28,29,30 mai 2026
    (RAPPORT De l’atelier multi-acteurs d’échange préparatoire du dialogue national sur les reformes éléctorales a Madagascar)
  • - SEHATRA IFAMPIDINIHANA MAHARITRA TETO ANTANANARIVO (CADRE DE CONCERTAION PERMANENT ANTANANARIVO) NY 6 JOLAY 2026

  • Cadre de concertation multi-acteurs sur les lois et calendrier électoraux

    Nihaona tetsy amin’ny le Pavé Antaninarenina androany ireo mpisehatra amin’ny fifidianana toy ny fiarahamonim-pirenena, ireo antoko politika, ny rafi-panjakana misehatra mivantana amin’ny fifidianana ary ireo orinasan-gazety, tao anatin’ilay sehatra ifampidinihana fanaon’ny CENI. Lahadinika nandritra izany ny lalàm-pifidianana sy ny tetiandrom-pifidianana. Nafana ny adihevitra, nafana fo tamin’ny fanehoan-kevitra ny rehetra. Araka izany dia hisy ny fandravonana ireo hevitra rehetra niposaka nandritra ity sehatra ifampidinihana ity izay hataon’ny CENI ary haparitaka amin’ny besinimaro ao anatin’ny fotoana fohy. Mifanindran-dalana amin’izay dia hisy ny fifamorian’ireo antoko politika an-daniny, ireo fiarahamonim-pirenena an-kilany momba izay fahazoan’i Madagasikara miroso amin’ny fifidianana.