Cadre de concertation multiacteurs sur les préparatifs des élections communales et municipales

Sehatra ifampidinihana nanasan’ny CENI ireo mpisehatra rehetra amlin’ny fifidianana (antoko politika, fiarahamonimpirenena, rafipanjakana, mpampahalala vaovao), niresahana momba ny fifidianana Ben’ny Tanàna sy Mpanolotsainan’ny Tanana.
Niompana tamin’ny fizaram-baovao momba ny fizotry ny fanomanana ny fifidianana, ny fampielezan-kevitra ary ny fikirakirana ny voka-pifidianana ity sehatra ifampidinihina ity ary narahina fanontaniana arahim-baliny sy fandraisan’ny CENI ny fanamarihana avy amin’ireo mpisehatra nandray anjara.

Nisy ihany koa ny famelabelarana ny « Teny ierana hanompo vahoaka » (charte de bonne conduite das candidats aux élections communales et municipales), izay niarahan’ny komity iombonana namolavola toy ny tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena sy ny fifidianana Ben’ny tanàna, ivondronan’ny CENI, BIANCO, CNIDH, CSI, SAMIFIN, HCDED, CFM, ROHY, FANDIO, Transparecy International Initiative Madagascar, ny ONG Tolotsoa ary ny Justice et paix.