• - FANGATAHANA FISORATANA ANARANA AN'HABAKA (DEMANDE D'INSCRIPTION EN LIGNE)

  • - Hoan'ny finday (Version mobile )Télécharger

    01 desambra 2021 : Fianianan’ireo mpikambana vaovao eto anivon’ny CENI

    Nianiana teny amin’ny Fitsarana Tampony androany alarobia 1 desambra 2021 ireo mpikambana sivy (9) vaovao  handrafitra ny CENI ato anatin’ny 6 taona manaraka. Lanonana ara-pitsarana izay natrehin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Nirina RAJOELINA sy ny Minisitry ny Fitsarana sady mpitahiry ny fitombokasem-panjakana IMBIKY Herilaza, ary ireo olo-manankaja samihafa. Hiasa avy hatrany izy ireo manomboka anio ary afaka 3 andro farafahatarany dia hifidy izay ho filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana, no sady hamaritra ireo andraikitry ny mpikambana hafa handrafitra  ny birao maharitra.

     

    Ireto avy ireo mpikambana ao amin’ny CENI izay nanao fianianana androany 1 desambra 2021 :

    –          DAMA Andrianarisedo Retaf Arsène – Notendren’ny Filoham-pirenena

    –          RAZAFIMAMONJY Laza Rabary – Voafidin’ny Antenimieran-doholona

    –          HOUSSENE Abdallah – Voafidin’ny Antenimieram-pirenena

    –          FIDIMIAFY Roger Marc – Voafidin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana

    –          RANDRIANARIVONANTOANINA Tiana Ifanomezantsoa – Voafidin’ny Fitsarana Tampony

    –          JEANNOT Guy Georges Razafindraibe – Voafidin’ny holafitry ny Mpisolovava

    –          ANDRIAMAROTAFIKATOHANAMBAHOAKA Ralaisoavamanjaka – Voafidin’ny holafitry ny Mpanao gazety

    –          RAVALITERA Jacques Michaël – Voafidin’ireo fiarahamonim-pirenena miorina ara-dalàna ary miantsehatra ao anatin’ny fanaraha-maso ny fifidianana

    –          ANDRIAMALAZARAY Andoniaina, Voafidin’ireo fiarahamonim-pirenena miorina ar-dalàna ary miantsehatra ao anatin’ny fanaraha-maso ny fifidianana