01 desambra 2021 : Fianianan’ireo mpikambana vaovao eto anivon’ny CENI

Nianiana teny amin’ny Fitsarana Tampony androany alarobia 1 desambra 2021 ireo mpikambana sivy (9) vaovao handrafitra ny CENI ato anatin’ny 6 taona manaraka. Lanonana ara-pitsarana izay natrehin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Nirina RAJOELINA sy ny Minisitry ny Fitsarana sady mpitahiry ny fitombokasem-panjakana IMBIKY Herilaza, ary ireo olo-manankaja samihafa. Hiasa avy hatrany izy ireo manomboka anio ary afaka 3 andro farafahatarany dia hifidy izay ho filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana, no sady hamaritra ireo andraikitry ny mpikambana hafa handrafitra ny birao maharitra.

Ireto avy ireo mpikambana ao amin’ny CENI izay nanao fianianana androany 1 desambra 2021 :

– DAMA Andrianarisedo Retaf Arsène – Notendren’ny Filoham-pirenena

– RAZAFIMAMONJY Laza Rabary – Voafidin’ny Antenimieran-doholona

– HOUSSENE Abdallah – Voafidin’ny Antenimieram-pirenena

– FIDIMIAFY Roger Marc – Voafidin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana

– RANDRIANARIVONANTOANINA Tiana Ifanomezantsoa – Voafidin’ny Fitsarana Tampony

– JEANNOT Guy Georges Razafindraibe – Voafidin’ny holafitry ny Mpisolovava

– ANDRIAMAROTAFIKATOHANAMBAHOAKA Ralaisoavamanjaka – Voafidin’ny holafitry ny Mpanao gazety

– RAVALITERA Jacques Michaël – Voafidin’ireo fiarahamonim-pirenena miorina ara-dalàna ary miantsehatra ao anatin’ny fanaraha-maso ny fifidianana

– ANDRIAMALAZARAY Andoniaina, Voafidin’ireo fiarahamonim-pirenena miorina ar-dalàna ary miantsehatra ao anatin’ny fanaraha-maso ny fifidianana

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *