• RESULTATS PROVISOIRES DES ELECTIONS COMMUNALES ET MUNICIPALES du 11 Décembre 2024
  • FIJERENA NY ANARANA AO ANATIN'NY LISI-PIFIDIANANA BEN'NY TANANA NY 11 DESAMBRA 2024

  • 01 desambra 2021 : Fianianan’ireo mpikambana vaovao eto anivon’ny CENI

    Nianiana teny amin’ny Fitsarana Tampony androany alarobia 1 desambra 2021 ireo mpikambana sivy (9) vaovao  handrafitra ny CENI ato anatin’ny 6 taona manaraka. Lanonana ara-pitsarana izay natrehin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Nirina RAJOELINA sy ny Minisitry ny Fitsarana sady mpitahiry ny fitombokasem-panjakana IMBIKY Herilaza, ary ireo olo-manankaja samihafa. Hiasa avy hatrany izy ireo manomboka anio ary afaka 3 andro farafahatarany dia hifidy izay ho filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana, no sady hamaritra ireo andraikitry ny mpikambana hafa handrafitra  ny birao maharitra.

     

    Ireto avy ireo mpikambana ao amin’ny CENI izay nanao fianianana androany 1 desambra 2021 :

              DAMA Andrianarisedo Retaf Arsène – Notendren’ny Filoham-pirenena

              RAZAFIMAMONJY Laza Rabary – Voafidin’ny Antenimieran-doholona

              HOUSSENE Abdallah – Voafidin’ny Antenimieram-pirenena

              FIDIMIAFY Roger Marc – Voafidin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana

              RANDRIANARIVONANTOANINA Tiana Ifanomezantsoa – Voafidin’ny Fitsarana Tampony

              JEANNOT Guy Georges Razafindraibe – Voafidin’ny holafitry ny Mpisolovava

              ANDRIAMAROTAFIKATOHANAMBAHOAKA Ralaisoavamanjaka – Voafidin’ny holafitry ny Mpanao gazety

              RAVALITERA Jacques Michaël – Voafidin’ireo fiarahamonim-pirenena miorina ara-dalàna ary miantsehatra ao anatin’ny fanaraha-maso ny fifidianana

              ANDRIAMALAZARAY Andoniaina, Voafidin’ireo fiarahamonim-pirenena miorina ar-dalàna ary miantsehatra ao anatin’ny fanaraha-maso ny fifidianana