DELIBERATION N°056/CENI/D/2024: LISTE OFFICIELLE DES CANDIDATURES POUR LES ELECTIONS LEGISLATIVES 2024

25 365 ireo birao fandatsaham-bato ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka

Mikasika ny lisitra sy ny toeran’ireo birao fandatsaham-bato amin’ny fifidianana Solombavambahoaka :

– Araka ny andininy faha-125 ao amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018 dia faranana sy ampahafantarin’ny CENI 60 andron’ny fifidianana ny lisitra sy ny toeran’ireo birao fandatsaham-bato.

– Ny fanapahana laharana faha-32/CENI/2018 tamin’ny 27 martsa 2019 no nametraka ny isan’ny birao fandatsaham-bato ho 25 365 mandritra ny fifidianana Solombavambahoaka izay hotanterahina ny alatsinainy 27 mey ho avy izao.

– Nitombo 513 araka izany ny isan’izy ireo raha oharina tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena tamin’ny taon-dasa. Ny fitombon’ny mpifidy voasoratra ao anaty lisi-pifidianana tamin’ny fanavaozana farany teo no nanazavana izany fiakarana izany. Feran’ny lalàna ho 700 tokoa mantsy ny isan’ny mpifidy ao amin’ny birao fandatsaham-bato iray (andininy faha-125 andalana faha 4).

– Tsy nisy famoronana biraom-pifidianana vaovao tamin’ity indray mitoraka ity fa fanasarahana (éclatement) no natao.

– Miantso ireo antoko na vondron’antoko politika izay nandrotsaka kandidà sy ireo kandidà tsy miankina ary ny fiarahamonim-pirenena ny CENI haka ireo lisitra sy toeran’ny biraom-pifidianana ireo, ety amin’ny CENI foibe hahafahan’izy ireo manara-maso izany mba hialana amin’ny resaka birao fandatsaham-bato matoatoa (bureau de vote fictif).

– Tsara ny manamarika fa mety mbola hiova ny isan’ireo birao fandatsaham-bato ireo raha misy ny antony tsy azo anoharana, 48 ora farafahatarany, mialohan’ny andron’ny fifidianana (andininy faha-126).

https://www.youtube.com/watch?v=GxeYIx72HqU&feature=youtu.be