FIJERENA NY VALI-PIFIDIANANA SOLOMBAVAM-BAHOAKA 29 MAY 2024 VONJIMAIKA
DELIBERATION N°056/CENI/D/2024: LISTE OFFICIELLE DES CANDIDATURES POUR LES ELECTIONS LEGISLATIVES 2024
LISTE ET EMPLACEMENT DES BUREUAX DE VOTE POUR LES ELECTIONS LEGISLATIVES DU 29 MAI 2024
FIJERENA NY ANARANA AO ANATIN'NY LISI-PIFIDIANANA SOLOMBAVAM-BAHOAKA 29 MAY 2024

Mila ny fiarahamientan’ny rehetra ny fahatomombanan’ny lisi-pifidianana

Tsy mahafa-po, ambany dia ambany ny taham-pahavitrihan’ny olom-pirenena misoratra anarana ao amin’ny lisi-pifidianana amin’izao fotoana izao, herinandro tsy higadonan’ny fe-potoana farany ahazoana misoratra anarana eny amin’ny fokontany. 0.23% no taham-piakaran’ny voasoratra anarana vonjimaika manerana ny nosy raha toa ka 1.25% ny an’Antananarivo renivohitra.

Manentana ny olompirenena hatrany ny CENI hanatona ny Fokontany mialoha ny 15 febroary.

Mila ny fiarahamientan’ny rehetra ny fahatomombanan’ny lisi-pifidianana. Ankoatra ny CENI dia manana adidy sy andraikitra amin’izany avokoa ny olompirenena tsirairay, ny fiarahamonimpirenena, ny fiarahamonina politika, ny mpanao gazety, ireo tomponandraiki-panjakana samihafa.

Averina hatrany fa manentana ny olompirenena hatrany ny CENI hanatona ny Fokontany mialoha ny 15 febroary 2019, hisoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana.