Les CED de la région Atsimo Andrefana visités par la CENI

Nahazo ny anjarany ihany koa ireo hery velona misehatra amin’ny fifidianana sy ireo rantsamangaikan’ny CENI ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny 7 hatramin’ny 9 septambra 2017. Distrika efatra avy hatrany no notsidihan’ny filohan’ny CENI nandritra ity fidinana ifotony ity dia ny distrikan’i Toliara I sy II, Sakaraha ary Morombe. Isan’ireo nandray anjara tamin’ny sehatra ifampidinihina, notarihan’ny Filoha nasionalin’ny CENI, RAKOTOMANANA Hery, ireo mpanao politika, mpitarika antokom-pinoana, ny ray aman-dreny mpitondra sekoly, ireo fiaraha-monimpirenena ary ireo  Zokiolona tao an-toerana… Izy ireo izay miantoka ny fanabeazana ifotony eny anivon’ny fiarahamonina ary nentanina manokana sy noresena lahatra ny amin’ny tokony hiarahan’ny rehetra mientana hirotsaka amin’ny raharaham-pifidianana.

Nisongadina nandritran’ity fifanakalozan-kevitra ifotony ity ireto teboka telo lehibe ireto : ny fahaleovan-tenan’ny CENI eo am-panatanterahana ny asany ; ny fiezahana hanana lisi-pifidianana madio ; ary ny fanazavana momba ny  tetiandrom-pifidianana.

Resy lahatra ny rehetra fa ny fiaraha-miasa manomboka aty ifotony toa itony no hery goavana hahafahana manatratra ny fisian’ny atao hoe fifidianana feno fahombiazana  ka hiteraka fitoniana sy filaminana ary indrindra fampandrosoana eto amin’ny firenena.

Fotoana iray nahafahan’ny Filohan’ny CENI nanome tari-dalana sy paikady entina hanatsarana ny fomba fiasan’ireo rantsa-mangaikan’ny CENI ihany koa izao fitsidihana natao tany amin’ny faritra Atsimo-andrefana izao.