karapanondro

27144580_1968026353447223_1811356376_o(1)Ny fananako kara-panondrom-pirenena dia singa iray ahafahana mamantatra sahady fa olom-pirenena feno taona aho .

Ankoatra izay dia ireto avy ny anisan’ny tombotsoa azoko raha manana izany kara-panondrom-pirenena izany aho:

¨ Afaka misoratra anarana anaty lisi-pifidianana aho rehefa tonga ny vanim-potoana voalazan’ny lalàna  ahafahako manao izany (01 Desambra – 15 febroary),

¨ Ny fananako kara-panondro ihany koa dia miantoka ny fahafahako  milatsaka ho fidiana ho Kandidà amin’ireo karazam-pifidianana misy eto Madagasikara,

¨ Amin’ny androm-pifidianana dia iny ny lakile amin’ny ny fandraisako anjara amin’ny latsa-bato satria manan-danja loatra ny safidiko,

¨ Aorian’ny fifidianana ihany koa raha toa aho ka manana ny fanamarihana hatao any amin’ny fitsarana dia tsy maintsy mitondra io kara-panondrom-pirenena io,

¨ Ary tena ilaiko amin’ny fikarakarana ny antotan-taratasy rehetra momba ahy na eo anivon’ny ny ankohonako na eny  anivon’ny sampan-draharaham-panjakana rehetra.

Ho fehin’ireo rehetra voalaza etsy ambony ireo dia zava-dehibe ho ahy tokoa ny fananako izany kara-panondrom-pirenena izany satria ahafahako  misitraka ny zo-ko sy manao ny adidiko rehetra eto amin’ny fireneko.

Noho izany raha vao feno 18 taona ianao dia manatòna ny Biraom-pokontany misy anao