Hetsika 8 martsa 2018 : nandray anjara ireo vehivavin’ny CENI

Nandray anjara tamin’ny hetsika fankalazana ny andro iraisam-pirenen’ny vehivavy ny CENI Madagasikara. Teny amin’ny lapan’ny Kolotsaina sy ny Fanatanjahantenan’i Mahamasina, nisy ny tranoheva nanaovana fanentanana ho an’ireo mpitsidika momba ny fisoratana anarana ao amin’ny lisi-pifidianana sy ny fanamarinana ny lisi-pifidianana eny anivon’ny fokontany, nisy ihany koa ny fijerena tamin’ny alalan’ny aterineto ny fisoratan’ny olompirenena ao anaty lisi-pifidianana na ny « consultation en ligne ». Ny andron’ny 8 marsa, nandray anjara tamin’ny filaharambe ihany koa ireo solontenan’ny vehivavy miasa eto anivon’ny CENI.