DELIBERATION N°056/CENI/D/2024: LISTE OFFICIELLE DES CANDIDATURES POUR LES ELECTIONS LEGISLATIVES 2024

Fanohanan’ny fitondrana Amerikana ny fifidianana amin’ny taona 2018

Fanohanana izay hanampy ny CENI sy ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena
amin’ny dingan’ny fifidianana

Nanambara ny Fitondrana Amerikana androany fa nanolotra 1,2 tapitrisa hanampiana an’i Madagasikara hanatontosa fifidianana malalaka, ara-drariny, mangarahara ary andraisan’ny rehetra anjara amin’ny taona 2018.  Iz

any moa dia famatsiana ho an’ilay fandaharana ahitana mpamatsy vola maro, tarihin’ny Fandaharan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD) ary natao hanohanana ny Vaomieram-Pirenena Mahaleo tena ho an’ny Fifidianana (CENI) ary hanamafisana orina ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fifidianana ho avy.

“Ity famatsiana ara-bola ambara androany ity moa dia natao hanampiana ny CENI amin’ny fitantanana ny fifidianana ho avy, hanohanana ireo hetsika hanamafisana orina ny mangarahara, ary hampitomboana ny fahatokian’ny olom-pirenena ny dingan’ny fifidianana,” hoy indrindra Andriamatoa Robert T. Yamate, Masoivohon’i Etazonia, raha nanao ny fanambarana tany amin’ny birao foiben’ny CENI.  “Vonona hatrany ny Fitondrana Amerikana hanohana ny Fanjakana Malagasy sy ny CENI mba ho azo antoka fa fifidianana andraisan’ny rehetra anjara, tsy mitanila ary tena anehoana ny safidin’ny vahoaka Malagasy no ho tontosa amin’ny taona 2018.”

Io famatsiana 1,2 tapitrisa $ io no fanampiana betsaka indrindra nomena ny PNUD hatreto hanohanana an’ireo zavatra ilaina maro ho an’ny fifidianana araka ny voatanisa ao amin’ny fandaharana Fanohanana ny Dingan’ny Fifidianana eto Madagasikara (SACEM).  Ny SACEM moa dia vokatry ny fanombanana notontosain’ny Firenena Mikambana ireo zavatra ilaina, ary io no fomba misongadina indrindra anampiana ny rindram-pifidianana eto Madagasikara sy hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny CENI.
Hampiasaina io vola io hanomezana fanofanana momba ny fikirakirana sy lojistikan’ny fanomanana fifidianana, ho an’ireo mpiasa raikitra sy mpiasa an-tselika ao amin’ny CENI, na ao amin’ny birao foibe na any amin’ireo birao isaky ny faritany, faritra, distrika ary kaominina.  Misy arak’izany ny famokarana sy fanapariahana fitaovana maro, toy ny boky kely momba ny fitantanana fifidianana sy fomba fanisam-bato, fandravonana ireo lalàna sy fitsipika mifehy ny dingan’ny fifidianana, ary ny fandrafetana, fandaniana ary famoahana fitsipi-pitondran-tena ho an’ireo mpiasan’ny CENI misahana ny fifidianana.  Farany, dia mbola hampiasana an’ilay vola ihany koa ny fampirisihana ireo fikambanan’ny firaisa-monim-pirenena hanohana ny fanomanana ny fifidianana, indrindra ho an’ny serasera, ny hetsika fanairana ary ny fanentanana ny isan-tanàna.

Izany famatsiana izany dia azo tamin’ny alàlan’ny Tahiry manokan’ny Birao misahana ny Demokrasia, ny Disadisa ary ny Fanampian any mponina (DCHA) ao amin’ny Sampanasa Amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-prienena (USAID), izay manokahana ireo firenena mila miatrika fifidianana efa akaiky.