Fanentanana sy ny fanabeazana ara-pifidianana

Mitohy hatrany ny hetsika “Zahavato” izay karakarain’ireo fiarahamonim-pirenena ao amin’ny ONG “Tolo-tsoa” sy ny “Miel” ao anatin’ny Fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana 2017-2018. Ny anjery manontolo ary ireo toeram-panovohizam-pahalalana eto Iarivo sy eny anivon’ny faritra no anatontosan’izy ireo izany. Miompana amin’ny fanentanana sy fanabeazana ara-pifidianana no anton’ity hetsika ity izay entina handresan-dahatra ireo tanora Malagasy amin’ny fisoratana anarana ao anaty lisi-pifidianana sy hanamarina ny mahakasika azy ireo na eny anivon’ny fokontany na amin’ny alalan’ny aterineto. Izany no natao mba hahafahan’izy ireo manao fanitsiana eny anivon’ny fokontany raha toa ka ilaina izany sy hahaizan’ny tanora Malagasy misitraka ny zo sy ny adidiny momba ny raharaham-pifidianana. Ireo mpianatra teo anivon’ny ivom-pampianarana ISCAM no nanatanterahina ny fanentanana sy ny fanabeazana ara-pifidianana tamin’ny alarobia 24 janoary lasa teo.