Clôture provisoire de la liste électorale : 10 154 639 inscrits dans toute l’île

Nofaranana vonjimaika ny 28 febroary 2019 lasa teo ny lisi-pifidianana tao anatin’ny RALE 2018-2019 (Fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana). Araka ny tarehimarika voaray manerana ireo Distrikan’i Madagasikara dia nahitana taham-pitombona 2,53% ny mpifidy eto Madagasikara, izany hoe 10 154 639 ireo voasoratra anarana anaty lisi-pifidianana ankehitriny raha 9 903 915 izany teo aloha. Araka ny nambaran’i Filohan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena Misahana ny fifidianana (CENI), RAKOTOMANANA Hery,nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety dia « miezaka araka izay tratra ny CENI mitondra ny fanavaozana sy fanatsarana ny lisi-pifidianana ».

Tamin’ity indray mitoraka ity dia nifanindry ny fanombohan’ny RALE ny 1 desambra 2018 sy ny fikarakarana ny fifidianana Filoham-pirenena fihodinana faharoa. Voamarika tao anatin’izany nytsy fahampian’ny fientanan’ny vahoaka mpifidy sy ireo mpiara-miombon’antoka teny ifotony.Nomarihin’ny Filohan’ny CENI ihany fa natao hitarika sy hitantana ihany ity rafitra ity ary tsy hanjary ny raharaham-pifidianana raha tsy miara-mientana ny tsirairay, ary ao anatin’izany ny fampanjariana ny lisi-pifidianana.

Haverina eny anivon’ny Fokontany ireo lisitra voatonta rehetra mba hahafahan’ny mpifidy manao fanamarinana na fitarainana. Araka ny lalana mifehy ny fifidianana dia manana 20 andro manomboka ny fahatongavan’izany lisitra izany eny an-toerana ireo rehetra voasoratra anarana anaty lisi-pifidianana. Nanamafy ny Filohan’ny CENI ny mba hanarahan’ny vahoaka mpifidy ny eny anivon’ny fokontany ny fisoratany anarany ao anaty lisi-pifidianana.

Marihina fa ny lisi-pifidianana izay hofaranana tanteraka ny 15 mey ho avy izao no hampiasaina mandritra ny fifidianana Solombavambahoaka izay tanterahina ny alatsinainy 27 mey ho avy izao.