Cérémonie de publication des résultats provisoires (Province d’Antananarivo)

FANEHOANA AM-PAHIBEMASO NY VOKA-PIFIDIANANA VONJIMAIKA
FIFIDIANANA BEN’NY TANANA SY MPANOLOTSAINA
FARITANIN’ANTANANARIVO

Taorian’ny fanatanterahana ny fifidianana ny 27 novambra lasa teo dia niroso avy hatrany tamin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana voaray avy any amin’ireo fari-piadidiam-pifidianana miisa 318 manerana ny faritanin’Antananarivo ny rafitra manokana na ny « structure Ad’hoc ». Rafitra izay tarihin’ireo Komiseram-pifidianana nasionaly sy ireo komiseram-pifidiananana eny amin’ny faritra tsirairain’ny faritany : Analamanga, Itasy, Bongolava ary Vakinankaratra.
Araka ny fomba fanao, mba hanajana hatrany ny mangarahara amin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana dia najaina hatrany ireto dingana ireto :
1. Ny famoahana ireo fironana : navoaka tamin’ny alalan’ny fampitahana ireo firaketana an-tsoratra scanné sy ny takelaka mirakitra ny vato azon’ny kandida (fiche de résultats) avy any amin’ireo ratsamangaikan’ny CENI eny amin’ny distrika. Izany dia naranty tamin’ny solaitrabe nahazoan’ireo kandida mijery ny fivoaran’ny vokatra voaray. Nomena fahafahana ihany koa ny kandida sy ireo solontenany hahazo ireo voka-pifidianana voaray tao amin’izay kaominina nirotsahany.
2. Ny fandraisana ireo rakitra an-tsoratra tena izy na ny PV réel avy amin’ny SRMV izay namoahana ny vokatra vonjimaika

Miisa 6 824 ireo firaketana an-tsoratra nokirakiraina. Ampitomboina roa io izany hoe 13 648 satria roa ny fifidianana notanterahina.
Nisy ny fanatanterahana fampitahana ireo taratasy fitanana an-tsoratra na ny confrontation de PV araka ny nangatahan’ireo kandida sy araka ny zo omen’ny lalàna azy ireo amin’izany.

Tsindriana hatrany fa ny Rafitra manokana dia mijanona amin’ny fanisana sy fampitahana ny vato azon’ny kandidà ao anatin’ny PV. Tsy manana fahefana manova na manafoana ny vokatra izy ireo fa ny fitsarana mahefa ihany no afaka manao izany. Koa raha misy tsy mifanaraka ny vokatra tao aorian’ny fampitahana dia mamporisika hatrany ny kandidà hametraka ny fitoriana eny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana. Ny PV azon’ny kandida tsirairay teny amin’ny birao fandatsaham-bato dia anisan’ny porofo takiana ampiarahina amin’izay fitoriana atao.
Voahaja ny fe-potoana voafaritry ny làlana ka dia avoaka isaky ny sokajim-pifidianana sy isaky ny fari-pifidianana ny vokatra vonjimaika.

Marihina ihany koa fa satria ny làlana dia milaza fa Komiseram-pifianana eny amin’ny Faritra no tompon’andraikitry ny farim-piadidiany avy dia izy ireo no namaky ampahibemaso misesy araka ny fandaminana ny vokatra isaky ny faritra misy azy avy. Izany moa dia nanasana ireo kandida rehetra izay nirotsaka hofidiana, nalefa mivantana tamin’ny haino amanjerim-pirenena ary efa mivoaka amin’ny tranonkalan’ny CENI ihany koa : http://communales.ceni-madagascar.mg/