Cadre de concertation et séance d’informations techniques sur le fichier électoral

Sehatra ifampidinihana mikasika ny fandrafetana sy fandavorariana ny lisi-pifidianana tety amin’ny foiben-toeran’ny CENI Alarobia androany 19 marsa.
Nanasana ireo mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana : ireo rafi-panjakana ,antoko politika sy ireo kandida nilatsaka hofidiana tamin’ny fifidianana nifanesy, ireo fiarahamonim-pirenena ary ireo haino vaky jery.
Samy resy lahatra ny rehetra fa zavadehibe ny fanatsarana ny kalitaon’ny lisi-pifidianana ary ilaina ny fiarahamientana.

Amin’izao fotoana izao dia eny amin’ny isam-pokontany ireo lisi-pifidianana natonta vonjimaika taorian’ny famaranana vonjimaika ny lisi-pifidianana ny 28 febroary lasa teo, miaraka amin’izany ihany koa ny lisi-pifidianana ahitana ireo anarana miverina in-droa na mihoatra, ary ireo lisi-pifidianana ahitana karapanondrom-pirenena mitovy laharana. Ny CENI dia manentana ny rehetra hatrany handray ny anjara andraikitra tandrify amin’ny fandavorariana ny lisi-pifidianana : isan’ireo lehibe indrindra amin’izany ny fanatonan’ny olompirenena ny fokontany misy azy, ka anaovany fanamarinana na fanitsiana ireo diso na tsy ampy voasoratra ao amin’ny lisi-pifidianana. Ao anatin’ny vanimpotoan’ny fanamarinana mikasika ny lisi-pifidianana rahateo isika amin’izao fotoana izao.

Ny CENI dia mamerina ny fankasitrahana ireo tonga maro nandritra ity sehatra ifampidinihana notanterahina androany ity.