DELIBERATION N°056/CENI/D/2024: LISTE OFFICIELLE DES CANDIDATURES POUR LES ELECTIONS LEGISLATIVES 2024
LISTE ET EMPLACEMENT DES BUREUAX DE VOTE POUR LES ELECTIONS LEGISLATIVES DU 29 MAI 2024

Mila ny fiarahamientan’ny rehetra ny fahatomombanan’ny lisi-pifidianana

Tsy mahafa-po, ambany dia ambany ny taham-pahavitrihan’ny olom-pirenena misoratra anarana ao amin’ny lisi-pifidianana amin’izao fotoana izao, herinandro tsy higadonan’ny fe-potoana farany ahazoana misoratra anarana eny amin’ny fokontany. 0.23% no taham-piakaran’ny voasoratra anarana vonjimaika manerana ny nosy raha toa ka 1.25% ny an’Antananarivo renivohitra.

Manentana ny olompirenena hatrany ny CENI hanatona ny Fokontany mialoha ny 15 febroary.

Mila ny fiarahamientan’ny rehetra ny fahatomombanan’ny lisi-pifidianana. Ankoatra ny CENI dia manana adidy sy andraikitra amin’izany avokoa ny olompirenena tsirairay, ny fiarahamonimpirenena, ny fiarahamonina politika, ny mpanao gazety, ireo tomponandraiki-panjakana samihafa.

Averina hatrany fa manentana ny olompirenena hatrany ny CENI hanatona ny Fokontany mialoha ny 15 febroary 2019, hisoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana.