Fanamarinana ny anarana

Aorian’ny famaranana vonjimaika ny lisi-pifidianana, dia manana adidy ny olom-pirenena feno taona hanamarina ny anarany sy ny momba azy ao anatin’izany lisitra izany araka ny voalazan’ny andininy faha 15n’ny fehezan-dalàna momban’ny fifidianana laharana faha 2012-005 tamin’ny 22 marsa 2012 izay manambara fa « Ny mpifidy rehetra dia tsy maintsy manamarina ny fisoratany ao amin’ny lisi-pifidianana. Ny tsy fisian’ny fanamarinana dia mitarika avy hatrany ny fahaverezan’ny zo rehetra hanao fitarainana. »

Aiza ary ny toerana hanatanterahana izany ?

Voalaza ao @ andininy faha 14 n’io lalàna io ihany fa eny anivon’ny fokontany misy ny mpifidy no toerana hanatanterahana ny fanamarinana ny anarana ao anatiny ny lisim-pifidiananana « Ny lisi-pifidianana nofaranan’ny Vaomiera misahana ny Fifidianana eo anivon’ny Distrika dia apetraka ao amin’ny biraon’ny Fokontany mba ho zahan’ny mpifidy sy ireo mpilatsaka hofidiana na ireo solontenany. Ny filazana momba ny fametrahana izany lisitra izany dia atao peta-drindrina any amin’ireo biraom-panjakana eo an-toerana ary eny amin’ireo toeran-dehibe mahavory olona. »

Amin’ny fotoana inona ary no ahafahana manatanteraka izany ?

Mandritra ny roapolo (20) andro, manomboka amin’ny fotoana hampahafataran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny fokontany ny besinimaro amin’ny alalan’ny peta-drindrina fa efa afaka manamarina ny anarany sy ny momba azy ao anaty ny lisitra ny mpifidy araka ny voalazan’ny andiny faha 17n’ny fehezan-dalàna mifehy ny fifidianana « Ao anatin’ny fe-potoana roapolo andro manomboka amin’ny vaninandro nanaovana ny peta-drindrina dia mahazo maneho ny fitarainany, ny olom-pirenena rehetra tsy voasoratra.»

Araka izany dia manentana anao olom-pirenena tsy ankanavaka na lahy na vavy mba hanamarina ny anaranao sy ny mombamomba anao ao anatin’ny lisi-pifidianana satria io no antoka ahafahanao mandray anjara feno amin’izay fifidianana ho avy.

Entano ihany koa ny manodidina anao, mba hanao toy izany.

Zo sy adidy ny mifidy ary ianao no masi-mandidy !