Olom_pirenena_vanona_sy_vonona

25435356_1368631229932977_637269635_oOlona liana amin’ny tantaram-pireneny, sy ny fanjakana misy eo amin’izany fireneny izany, ny firafiny, ny anjara asan’ny rafitra tsirairay, ny fomba fampiasana ireo ary  ny antony ilàna azy ,

Olona liana ihany koa amin’ny Lalàna isan-tsokajiny : ny Lalàm-panorenana, ny lalàna tsotra, ny didy, ny fitsipika, ny dina.
-Rafi-kevitra sy foto-kevitra ary ireo soatoavina ilafihan’ny fahefana,
-Kolontsaina malagasy : ny soatoavina sy ny fomba amam-panao,
-Soatoavina repoblikanina : ny andraikitry ny olompirenena ao anaty rafitra demôkratika,
-Fomba fandraisan’ny olom-pirenena anjara amin’ny fanapahan-kevitra iombonana.
2 – Olona afaka mandray anjara amin’ny fiainana pôlitika, izany hoe:
– Mizaka ny zom-pirenena (manana kopia nahaterahana, feno 18 taona katroka, manana kara-panondro, afaka mifidy, afaka mirotsaka hofidina, manana zo samihafa) ,
– Manana fahalalahana sy fahaiza-manao samihafa,
3 – Mponina ao amin’ny Repoblika :
– Anisan’ny tompon’ny fiandrianam-pirenena, izany hoe loharanon’ny fahefana izay ampindraminy ny olom-boafidy amin’ny alalan’ny fifidianana,
– Manana zo sy adidy ary andraikitra araka ny toerana misy azy, manana fahalalana samihafa.
4 – Olona manana fahaiza-manao izany hoe:
– Fahaiza-mamakafaka (manangona sy manamarina vaovao, manazava, mandahatra laharam-pahamehana, mamantatra sy mandanjalanja ny anton-javatra sy ny vokany, mieritreritra, mikirakira hevitra, mitsikera),
– Fahaizana mifandray amin’olona (mifampiresaka, mifanakalo hevitra: mihaino, maneho hevitra, miady hevitra, mifampiraharaha sy mandresy lahatra, manatratra marimaritra iraisana, manao fifanekena),
– Fahaizana mandray anjara (miatrika olana, izany hoe mamantatra ny olana, mikaroka sy manolotra vahaolana, manao drafitrasa, fandaharana tetikasa sy lamin’asa, miara-miasa, mandamina fifanolanana, tsy mitanila).
5 – Olona manana toe-tsaina amam- pitondrantena mendrika izany hoe manana toetra manokana toy ny fandalàna ny fahamarinana, fitiavan-tanindrazana sy fandalana ny kolontsaina malagasy ary ny soatoavina repoblikanina,
Olona ihany koa manana fahazarana manao adidy, mandray andraikitra, anatin’ny fifehezan-tena, fanajana tena, sy liam-pandrosoana, ary misokatra amin’ny hevitra sy ny teknôlôjia vaovao).
6 – Olona manana toetra mandala ny fiarahamonina:
– Manaja sy mitandro ny zo aman-kasin’ny mpiara-belona,
– Manaja sy mitsimbina ny ain’ny manodidina azy (ny olona, ny biby, ny zava-maniry),