MESSAGE INCITATION AU VOTE

« Arovy ny zonao, hefao ny adidinao, mandehana mifidy ».

« Ry vahoaka Malagasy, raiso an-tanana ny ho avinao, andao hifidy ».

“ Olom-pirenena mandray andraikitra, sahy miatrika fifidianana”.

“ Tontosao ny adidy, mandehana mifidy, mahaiza mifidy”.

“ Fifidianana  iaraha-mitantana, antoky ny fahombiazana, lavitry ny korontana”.

“ Olom-pirenena iray = vato iray = Madagasikara vaovao”.

“ Sahia mijoro hanara-maso ny safidinao”.

“ Fifidianana iaraha-misalahy, ho avy tsy mampiahiahy”.

– efao ny adidy, mandehana mifidy

– mba hampilamina ny saiko dia ny fifidianana no lalaiko, hifidy aho !!

– aza manary zo,mandehana mifidy

– mba tsy hanenenako dia ndeha hifidy ny tenako

-Fifidianana mangarahara, andraisan’ny rehetra anjara, antoky ny fahamarinan-toeran’ny fitondram-panjakana.

– mba ho tombotsoam-pirenena dia ny mifidy no ekena

– mba tsy ho tara, ny fifidianana no tsara

– fifidianana atao dia milamina ianao

– tiako hilamina ny hoaviko, fifidianana no toaviko

– tianao ny taranakao; ny tsy hifidy tena ialao

– ndao hidify zao hiatrehana ny hoavinao

– « FEON’NY VAHOAKA, FEON’ANDRIAMANITRA!

VAHOAKA MIFIDY? FITONIANA MAHARITRA,

MBA HO TARANAKA FINARITRA »

« MAMIKO NY TANIKO, MIFIDY NO FANAMBIKO »

 

« Izaho TANORA, Safidiko ny mpitondrako »

 

« Agnay hifidy fa te hivoatra,
Angeho aby ny ona andao re ranaotra ».( Angeho = antsoy, ona = olona, ranaotra = zaodahy na zaobavy)

 

« E rony e! atsika hifidy, ka varendriky ame tognotogno evao, fa adidy jakabe ame fapandroa gn’hoavitsika, vaha gne janatsika gne fandihana mifidy.

Sady da anio tsara e safiditsika ba tsy ho baribaraign’olo ame jara sira vao, fa gn’olo fiditsika gne manapa-kevitry ame hahatsara atsika, vaha hapandroso e firenetsika! ka mirendre rony e!  »

-Atsik’eky andra hifidy e

k’amidy gne safidy

Maheza sa gne mifidy!

 

-Tanora mandatsa-bato, mamaritra ny ampitso.

-Ry tanora! Andao hifidy fa sady zo io no adidy.

-Tanora maro mandeha mifidy antoky ny fahamarinan-toeran’ny mpitondra voafidy.

-Tanora maro an’isa amin’ny fifidianana no antoky ny fampandrosoana maharitra..

-Olom-pirenena manan-jo hifidy, rehefa tsy mandray andraikitra dia mibaby ny safidin’ny hafa.

-Raiso ny adidy sy andraikitra, mandehana mifidy ho an’ny hoavin’ny firenenao.

-Ry tanora, aza midororororo, ndao hifidy