Ireo dingana arahina ao anaty biraom-pifidianana

Rehefa hifidy aho, ireto avy ireo dingana arahiko ao anaty biraom-pifidianana :

1. Jereko ao anaty lisi-pifidianana ny anarako

2. Raisiko ny bileta tokana misy ireo sonia roan’ny tomponandraikitra  ao ivohony

3. Apetrako mazava tsara ny safidiko : marika X na lavotondro no ataoko

4. Avaloko mankeo afovoany manaraka ny lavany, avy eo manaraka ny sakany ny bileta

5. Asiako sonia eo amin’ny tandrify ny anarako ao amin’ny lisi-pifidianana

5. Tsy hadinoiko ny ranomainty tsy maty vonoina ho marika fa avy nifidy aho

 

MANAN-DANJA NY SAFIDINAO