FANOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FISORATANA ANARANA ANATY LISITRY NY MPIFIDY

Talata 28 jolay 2026: Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fisoratana anarana anaty lisitry ny mpifidy:
Nosantarina ety Talata Volonondry ny fisoratana anarana ao anaty lisitry ny mpifidy ho an’ny Faritra Analamanga. Andriamatoa Filohan’ny CENI, RAKOTONARIVO Thierry sy Andriamatoa Filoha Lefitra voalohany, Andriamatoa RABETOKOTANY Mamy no nitarika izany, natrehin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eto amin’ny Faritra Analamanga, ireo Lehiben’ny Distrika, ny Ben’ny Tanàna eto an-toerana sy ireo tomponandraikitra eto amin’ny CENI.
Nandritra ny fandraisany fitenenana no nanamafisan’Andriamatoa Filohan’ny CENI, RAKOTONARIVO Thierry ireto teboka manaraka ireto:
Zava dehibe ny fisoratana anarana ao anaty lisitry ny mpifidy. Efa-bolana no anananantsika amin’ny fisoratana anarana ao anaty lisitry ny mpifidy izay hifarana ny 25 novambra 2026.
« Ny andro tsara indrindra dia ny androany » hoy izy. Koa aza miandry ela fa io lisitra io no hiatrehana ny fifidianana izay ho avy na ny fitsapan-kevi-bahoaka.
Notsiahiviny fa misy fomba dimy ahafahana misoratra anarana ao anaty lisitra:
– Fanatonana ny Fokontany
– Fitetezan’ny CLRE tokantrano
– Fangatahana fisoratana an’habaka
– Fitetezana ny toerana fivoriana
– Eny anivon’ny Distrika ho an’ireo vao maka kara-panondrom-pirenena.
Lisitry ny mpifidy madio sy feno no tanjona.
Koa nanentana ny olompirenena izy handray anjara feno amin’izany:
– Misoratra anarana ao anaty lisitra sy manentana ny manodidina
– Manana fahasahiana hanara-maso ny fahamarinana sy ny fahadiovan’ny lisitra. Azo atao tsara ny manatona ny Fokontany amin’izany. Hiverina ny faha 10 janoary 2027 eny amin’ny Fokontany ny lisitra hofaranana ny 09 janoary 2026. Koa azo atao ny mijery ny mombamomba antsika sy ao anaty lisitra ary mijery ihany koa ny an’ny hafa sao dia sanatria misy tsy tokony ho ao intsony.
Namafisiny ihany koa ireo fepetra takiana amin’ny olompirenena amin’izany:
– Teratany malagasy;
– Feno 18 taona;
– Manana kara-panondrom-pirenena;
– Tsy mbola nisazy;
– Voamarina fa.mipetraka eo amin’ny Fokontany.
Rehefa vita ny fanokafana dia naneho ireo fomba dimy ireo ny CENI.
Misoratra androany, mifidy rahampitso.












