SEHATRA IFAMPIDINIHANA MAHARITRA TETO ANTANANARIVO (CADRE DE CONCERTATION PERMANENT ANTANANARIVO) NY 6 JOLAY 2026

FAMPITAM-BAOVAO
Antananarivo, 06 Jolay 2026
Nanatanteraka ny fivoriana voalohany niarahana tamin’ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny fifidianana eto Antananarivo ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI), tao anatin’ilay sehatra ifampidinihina maharitra, ny alatsinainy 06 Jolay 2026, tao amin’ny foiben-toerany tetsy Alarobia. Izao sehatra izao dia natsangana ho setrin’ny fangatahan’ireo mpiantsehatra amin’ny fifidianana nandritra ny atrikasa savaranonando ifanakalozankevitra mialohan’ny fikaonan-doham-pirenena mikasika ny fanavaozana ny didy aman-dalana mifehy ny fifidianana eto Madagasikara, tamin’ny faran’ny volana Mey 2026 lasa teo.
Araka izany, nanatrika ity fihaonana voalohany ity ireo solontenan’ireo antoko politika, ireo solontenan’ireo firaisamonm-pirenena, ireo tompon’andraikitry ny haino vaky jery, ireo andrim-panjakana ary ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny ministera voakasiky ny fitantanana ny fifidianana.
Namafisin’Andriamatoa Filohan’ny CENI, RAKOTONARIVO Thierry fa: “Tsy afaka manao ny asa izahay raha tsy mifampiresaka. Atsangana izao sehatra ifampidinihina maharitra izao amin’ny dingana rehetra amin’ny zotram-pifidianana. Mifanazava, mifampiresaka, mifandinika amin’ny hitondrana ny asa”
Nandritra ny fihaonana, natolotra ireo fehin-kevitra sy tolo-kevi-dehibe nivoaka nandritra ilay atrikasa savaranonando ifanakalozankevitra mialohan’ny fikaonan-dohampirenena mikasika ny fanavaozana ny didy aman-dalana mifehy ny fifidianana eto Madagasikara. Noraketina anaty antontan-kevitra ireo izay haparitaka any amin’ireo andrimpanjakana ambony ary ny FFKM. Ho fanamafisana ny mangarahara sy mba ahafahan’ny rehetra mitrandraka ireo fehin-kevitra sy tolo-kevi-dehibe ireo, haranty ao amin’ny tranokalan’ny CENI io antontan-kevitra io.
Nampahafantarina ireo mpiantsehatra ihany koa ny fandrosoan’ny asa mikasika ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana nasionaly.
Nandritra izao fihaonana izao ihany koa no nohazavaina ireo fomba dimy ahafahana misoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy mandritra ny fanavaozana manontolo: fisoratana anarana mandritra ny fitsidihana isan-tokantrano; fisoratana anarana eny anivon’ny Fokontany; fisoratana anarana eny Ambohimpihaonana (eny amin’ireo toerana voafaritra manokana sy be mpivezivezy); fangatahana fisoratana anarana an’habaka; ny fisoratana anarana amin’ny alalan’ny fanaovana kara-panondrom-pirenena voalohany.
Marihina fa efa tafapetraka any amin’ireo Faritany, Faritra ary Distrika sasany ity sehatra ifampidinihana maharitra ity, izay tarihin’ireo mpikambana eo anivon’ny birao maharitry ny CENI sy ny ratsamangaika mba ahafahana mifanakalo hevitra sy mifampizara vaovao amin’ireo mpiantsehatra amin’ny fifidianana eny an-toerana.
Ankoatra izay, hanomboka ny 07 Jolay 2026 kosa ny fiofanana ho an’ireo mpisehatra rehetra mandray anjara amin’ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisipifidianana nasionaly ato amin’ny Faritra Analamanga.
Raha fintinina, ny fametrahana izao sehatra ifampidinihina maharitra izao dia entina manamafy ny finiavan’ny CENI hametraka sehatra fifampiresahana mahomby miaraka amin’ireo mpiantsehatra amin’ny fifidianana mba hananana fitantananan fifidianana mifototra sy miorona amin’ny mangarahara, ny fanavaozana ary ny fandraisan’anjaran’ny rehetra.






